ARK NETWORK reference.ch · populus.ch    
 
  
F.J.K.M Andranoro, Akon'ny Filadelfia 
 
 
Rubriques

Liens

 Home  | Livre d'Or  | Contact

NY TRANO VADIM-PIANGONANA

Noho ny fanirian'ny Fiangonana hanana trano vaovao handraisana ireo Mpanompon'Andriamanitra miasa ao amin'ny Fitandremana dia nanapakevitra ny Fanasan'ny Tompo fa hatsangana ireo komity hanorina ny tranon'ny Mpitandrina. 
 
Tsaroana tokoa mantsy fa somary efa mila havaozina ilay trano fahiny izay hitarainan'ireo mpitandrina nitondra nifandimby ka niroso ny asa fanorenana ny 25 jolay 2015. 
 
Diakona fito (7) lahy no nandrafitra ny biraon'ny komity ka ireto avy izy ireo: 
- Rodison Radoniaina Sergio (Filoha) 
- IH. Fanomezantsoa Ravo no (Filoha lefitra) 
- ANDRIANAMBININTSOA Antonny (Mpitahiry vola) 
- Njaka 
- Fenohery ( 
- Hasina  
- Jose  
 
Ny Paska 2015 no nanomboka ny tonona ary ny paska 2016 no nifarana ny fempotoana nomen'ny fiangonana. Tsapa mantsy fa mbola misy ny asa izay miandry ny fiangonana dia ny fandraisan-tanana ny mpitandrina izay tsy maintsy natao ny novambra 2016( iray taona ao rian'ny fametrahan'ny synodamparitany azy: FDF). 
 
Hisaorana Andriamanitra, fa 7 volana (Aout- Febroary) monja dia nahazo trano vaovao ny Fiangonana. Alleloia! 
Voatsangana ny trano, 
Vita ny lalotra 
Voaloka ihany koa ny tany ambony rihana. Vokatr'izany dia nampodiana ny mpitandrina izay nanofan'ny Fiangonana trano mandraha pahavitan'ity farany. 
 
Hetsika maro no nahazoana namita ireo rehetra ireo: 
- Fanentanan isam-paritra 
- Ny tonona isan'Alahady 
- Voady 
- Rindran-kira ara-pilazantsara 
- Opération Gateau 
- Opération Koba 
- Fetin'ny Taranaka 
- Fitetezana ireo malala tanana .... 
 
Fomba fiasa tsotra no nampiarina: 
- FANKAHARAHARANA  
- SERASERA 
- ASA FA TSY KABARY 
Ambeton-dresak'ireo mpanentana mandrakariva moa ny hoe: REHEFA MIARA MIENTANA ISIKA DIA MAHAVITA ZAVATRA, TSARA ARY HO LOVAN'NY TARANAKA RAHATRIZAY. 
 
Nizara ho telo lehibe ny dingana: 
-AZAKAZAKA (SAMPANA) 
-RODORODO (FARITRA) 
-DIA BE (TARANAKA) 
Resy lahatra ny Kristiana ka samy nanao izay ho afany ho fanampiana ny Fiangonana. 
 
Tratra ny tanjona voalohany hoy ny rehetra satria, tafody ny Mpitandrina ary nahazo trano vaovao. Trano vaovao izay vita tamin'ny herim-pon'ireo Kristiana Filadelfia Andranoro.  
Tsiavina mantsy fa tena hoe : "Départ Zéro" ny komity. Tsy mba anisan'ireo nahazo fanampiana avy any ivelany e! Fa teo ny vavaka sy ny Fitiavana izay nasehon'ny rehetra. 
 
Taorian'ny fandraisan-tanana ny mpitandrina Atoa RANDRIANASOA Harimbola, mianakavy ny 24 novambre 2016, izay niarahana tamin'ny zanaka am-pielezana ny 27 novambra 2016 dia nanapakevitra indray ny biraon'ny Fiangonana fa tsara raha vitaina hatramin'ny farana ilay ao am-bany rihana. 
 
Izay tokoa ilay hoe, na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana e! 
Nomena telo volana ny komity hamitana ireo asa madinidinika tsy mbola vita. 
Nanomboka nandray ny asany avy hatrany ny komity ny volana desambra 2016 ka ny febroary 2017 no nifarana ny fanentanana ny Kristiana. 
 
Azo tsapaintanana ny asa, vita avokoa ireo novinavinaina hatao. Ny volana mey 2017 no hiroso amin'ny Fitokanana ny Komity. 
Deraina ny Tompo e! 

 

(c) Akon'ny Filadelfia - Créé à l'aide de Populus.
Modifié en dernier lieu le 1.03.2017
- Déjà 9059 visites sur ce site!