Azo lazaina fa anisan’ny sampana sarotra naorina teo anivon’ny fitandremana Andranoro ity sampana vokovoko manga ity, anisany mampahatsiaro ny tenin'i Bonhoeffer hoe « tsy ny mpitory no mandresy lahatra ny olona fa andraikitr’Andriamanitra izany ».Tsaroana mantsy fa sarotra dia sarotra ny asa ary mitaky finoana ny fanaovana azy ity.
Tamin’ny 6 juillet 1989 no niorina ny S.V.M teto amin'ny Fitandremana, saingy ampahany vitsy dia vitsy ihany amin’ny kristiana no nanao izany ho zava-dehibe ary ny vehivavy no maro anisa tao anatiny amin’ny ankapobeny.
Vitsy ihany tokoa mantsy ny olona no tena mahafehy tena amin’ny zava-mahadomelina izay ady lehibe’ atrehin’ity sampana ity, koa raha ny isan’ny mpikambana voalohany tao anatin’izany sampana izany dia 14 mianadahy no isany nanorina azy.
Inona moa no ambaran'ny Soratra masina ny amin'ny zava mahadomelina?