SAMPANA SEKOLY ALAHADY
NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY
SEKOLY ALAHADY
Ity sampana sekoly alahady ity no azo lazaina fa zokiny indrindra rah any sampana tao anatin’ny Fiangonana teto Madagasikara izay niorina tamin’ny 4 Septembra 1874 tao amin’ny FFMA Ambohijatovo , Eny fan a dia teo anivon’ny fiangonana Andranoro ihany koa aza dia tamin’ny 1920 ary 260 no mpikambana voalohany tamin’izany vanim-potoana izany izay fotoam-piasan’Itompokolahy RAKOTOVAO tao amin’ny Fiangonana nefa azo lazaina fa dia nisedra olana ihany izy taty aoriana satria telo taona monja taorian’ny nananganana azy tao amin’ny fiangonana dia maty Itompokolahy RAKOTOVAO ka toa lasa kamboty ireto ankizy, koa dia tsy dia nandroso loatra izy taty aoriana satria tsy dia nazava loatra tamin’ny kristiana ny tena heviny ka saika isaky ny akaiky fety kristiana toy ny krismasy, paska, pantekosta vao mba tena maro.
Heverin’ny maro koa fa ny zaza eo amin’ny 3 taona ka hatramin’ny 8 taona dia heverin’ny olona fa tsy tokony hianatra Sekoly Alahady intsony. Vitsy ihany koa ny ray aman-dreny no resy lahatra avy hatrany amin’io ka mandefa ny zanany any am-piangonana mba hianatra soratra masina. Vato tena ho mpampianatra sekoly alahady saika ny ihezahan’ny ankizy maro dia ny fianarana katekomena nefa mbola tsy mahafehy zavatra maro momba ny soratra masina. Maro amin’ny mpianatra katekomena raha ny marina no mbola tokony hianatra lalina any amin’ny sekoly alahady nefa lasa ny mpitandrina no voatery mameno izany rehefa tonga eo amin’ny taona maha katekomena azy ilay tanora miroso ho mpandray ny fanasan’ny Tompo.
Raha nanomboka tamin'ny taona 1998 nankatykosa no asian-teny dia efa lasa lavitra ny Sampana Sekoly Alahady eto amin'ny Fitandremana.
Porofo azo tsapain-tanana ny fitombon'ny Mpiantra tonga mianatra ary indray ihany koa ireo Mpampiantra izay mano ny ainy tsy ho zavatra rehefa manatanteraka ny asa fanompoany.
Raha ny isa azonay dia efa mahatratra 450 no isan'ireo Mpianatra ao.
Indro ho zaraina amintsika ny lahatenin'ny Filoha tamin'ny taona 2010 nandritry ny fivoriam-be.
LAHATENY
Isaorana Andriamanitra noho ny taona vaovao izay nomeny antsika ahafahana indray manatanteraka ny asany. Izany asa izay ataontsika izany mantsy no manamarika ny fahavelomantsika ao Aminy. Hoy ny teny hoe : «.. . hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao …ary isika tsy maintsy manao ny asan'Izay naniraka Ahy. Hoy ny Tompo (Sal 77:12- Jao 9:4)
Porofo azo tsapain-tanana ny ezaka sy tanjona niarahantsika rehetra notratrarina nandritry izay telo taona izay; raha ampatsiahy fohy aho.
- Zaza mitombo amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy (2007-2008)
- Zaza hendry, zaza mahay, zaza tia an’i Jesoa (2008-2009)
- Zaza taratry ny fahatsaran’i Kristy (2009-2010)
- Zaza mamirapiratra amin'ny Finoana (2010-2011)
Ny taona vaovao 2011 dia taonan'ny Finoana. Antom-piasian'ny Fiangonana ny Finoana, satria tsy misy hazahoana sitraka amin'Andriamanitra raha tsy misy ny Finoana. (Heb 11:6b)
Amin’ny maha taniketsan’ny fiangonana ny Sekoly Alahady dia tsy mety ny saina amam-panahy raha tsy mampianatra sy manoro ny zanantsika ny lalà- marina mba hizorany ho amin’ny tsara tsara kokoa hatrany.
« Zaza mamirapiratra amin'ny Finoana » no tanjontsika 2011. Ny famirapiratana dia zavatra hitan'ny rehetra, eny na dia mbola lavitra aza. Ny famirapiratana dia manampara hery, ary izany indrindra no hirintsika amin'ireo zanantsika ireo. Ho zaza hiorina amin'ny Finoana ka ho alain-tahaka mandrakariva. Mino aho fa tsy hihemotra isika ny amin’izany fikasan’ny Fiangonana izany.
Farany, antoky ny fahatratrarana ny tanjona ny fiaraha miasantsika. Koa tohano ny Sampana misy antsika (am-bavaka, ara-bola, na ara-kevitra...)
Manao veloma finaritra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. III Jao 1:4
Anio 07 febroary 2010
Ny Filoha
IHASARAMANITRA Ravo
IZA AVY IREO NITARIKA NY BIRAO HATRAMIN'IZAY?
Birao 2007-2011
1. Filoha : Ravo (K7)
2. Filoha lefitra : Ramiliarimalala (K6)
3. Sekretera P.V : Santatra (K4)
4. Sekretera vola : Miarana (K4)
5. Mpitahiry vola : Miandry (K8)
6. Mpanolo-tsaina (1) : Haingo Tahina (K5)
7. Mpanolo-tsaina (2) : Nadia (K1)
8. Mpanolo-tsaina (3) : Onja Nirina
9. Manolo-tsaina (4) : Claude Augé
Ireo Mpampianatra
Fara Voahirana (K1),Rondro (K1),Lucie (K2),Anthony (K3,Haingo (K5),Flavien (K6),Bodo(K9),Fara,Raharindrina,Noro,Domoina,Miadana,Louise Miisa 22 Komitin'ny Sampana Sekoly Alahady ny taom-piasana 2007-2011.
Birao 2011-2015
1. Filoha : Ravo (K8)
2. Filoha lefitra : Ramiliarimalala (K7)
3. Sekretera P.V : Raharindrina
4. Sekretera vola : Miarana (K3)
5. Mpitahiry vola : Antonny (K4)
6. Mpanolo-tsaina (1) : Haingo Tahina (K5)
7. Mpanolo-tsaina (2) : Lucie (K1)
8. Mpanolo-tsaina (3) : Christina
9. Manolo-tsaina (4) : Bodo Razanatompo
Ireo Mpampianatra
Fara Voahirana,Rondro,Haingo (K5),Flavien (K6),(K9),Fara,Noro,Domoina,Miadana,Louise .
|