ARK NETWORK reference.ch · populus.ch    
 
  
F.J.K.M Andranoro, Akon'ny Filadelfia 
 
 
Rubriques

Liens

 Home  | Livre d'Or  | Contact

Ny Fiangonana Andranoro

NY FIVAVAHANA TALOHA'NY FIDIRAN'NY FIDIRAN'NY FILAZANTSARA TAO ANDRANORO
 
 
FAMPIDIRANA 
 

Ny fiangonan'Andranoro sy ny Filazantsara

 
 
Araka ny efa hitantsika fa Ranoro dia nanambady an’Andriambodilova avy ao Anosisoa araka izany rehefa maty Andriambodilova ary rehefa najavona Ranoro dia lasa toerana fivavahana ny fasana sy ny toerana niorenan’izy ireo ka ny hojerentsika amin’izany dia ny hoe: 
     
  • Iza no olona namorona ny fivavahana tamin’izy ireo? 
  • Ny antony namoronany azy? 
 
a) Ny tantaram-pivavahana ankapobeny.  
Hoy Mompera MALZAC hoe:["tamin’ny andron’Andrianjaka (1607-1627) no niandohan’ny fanajana ny vazimba sy ny razana mba ho fahatsiarovana ny fifankatiavany tamin’ny vazimba sakaizany toy ny an’Andriambodilova, Ranoro dia nampamono omby teo amin’ny fasan’izy ireo izy ary izany dia nanjary fivavahana amin’ny vazimba....] koa raha izany fanambarana izany no jerena dia azo ambara fa ny mpanjaka Andrianjaka no namorona ny fivavahana tamin’ny vazimba sy ny razana dia ny fivavahana tamin’Andriambodilova sy tamin’ny Ranoro vadiny izany: 
Rehefa maty mantsy ireo vazimba sakaizan’ Andrianjaka dia nanana fanajana fatratra azy ireny izy sy ny vahoakany. Namoaka didy izy fony fahavelony fa ny fasam-bazimba dia
     
  • manan-kasina ka tsy maintsy hasinina, 
  • tsy rehofana, 
  • tsy hitsahina
 
ka izay manitsaka ny fasam-bazimba araka ny finoana dia:" kely ila ". 
Tsy ny vahoaka ihany no namporisihina hivavaka sy hanaja ny vazimba maty fa izy mpanjaka no tonga tena mivavaka tamin’ireny vazimba ireny.  
Araka izany dia azo atao ny milaza fa Andrianjaka no namorona ny fivavahana tamin’ny vazimba. 
 
b)Ny antony namoronany azy 
Andrianjaka rehefa avy naka an’Antananarivo ho renivohiny, sady nisakaiza tamin’ny vazimba izay resiny na nanoa azy dia nanao fomba fanajana sy fahatsiarovana ho azy ireny teo akain’ny fasany izany dia mitatra tsikelikely ka tonga tena fivavahana amin’ny vazimba taty aoriana. 
 
Anisan’ny antony nivavahany tamin’ny vazimba koa angamba ny fivavahany tamin’ny razana araka ny fanambarany hoe:“razako tahaka ny vazimba ireo ka hasiniko” ary tsy hisalasalany fa Andriambodilova dia isan’ny vazimba satria taranaky ny vazimba Andriampirokana , araka izany mety ho fitiavana tsy te hanavakavahana no antony nanafangaroany ireo olona samihafa najainy ireo ka nomeny ny voninahitra avy. 
Na dia teo aza anefa izany araka izay efa voalaza dia efa nanana izay heveriny ho finoana ny Malagasy ka ny finoana ny razana no nahazo vahana betsaka tamin’izany mpanelanelana amin’ny zanahary na ilay ANDRIAMANITRA an-tapon’ny loha ka nanaovany vavaka fitarainana sy fangatahana araka izay ilainy azy eo amin’ny fiainany. 
 
Izany hoe tsy mba Jesosy Kristy no nataony ho hany tokana ho mpanelanelana azy amin’Andriamanitra fa ny razana efa maty, noho ny tsy fahafantarany fa efa teto amin’izao tontolo izao taloha ny zanak’Andriamanitra. 
Tsy nampaninona azy ireny ny manao fandaniana tsy toko tsy forohana mba ho enti manaja azy ireny fa hoe mitahy sy miaro azy. 
 
NY Nidiran’ny filazantsara teto Madagasikara 
 
Rehefa tafiditra teto Madagasikara ny filazantsara dia tsy nijanona tany amorontsiraka tany fotsiny fa nihely nanerana ny nosy ka tamin’ny 18 Aogositra 1818 no niditra tany Toamasina ny misionera roalahy David JONES sy Thomas BEVAN izay nirahin’ny mission de Londre (LMS) hitory ny filazantsara teto Madagasikara  
 
Ny Nidiran’ny Filazantsara tao Andranoro 
Anisan’ny faritra nidiran’ny filazantsara ihany koa ny faritra Andranoro.Araka ny tantara sy ny lovan-tsofina dia izany dimy mirahalahy iraitampo izany no nitondra sy nampiditra azy tao amin’ity faritra ity izay tsy fantatra anarana fa hany entina nahalala azy ireo dia ny filazana fa azy dimy mirahalahy ireo ny tany izay nanorenana ny trano Fiangonana roa mifanakaiky amin’izao fotoana izao. 
 
 
Fiangonana Katolika sy ny FJKM ANDRANORO
 
 
Tamin’ny faraparan’ny taona 1834 no niditra voalohany teny amin'iny faritra iny ny Filazantsara.

 

(c) Akon'ny Filadelfia - Créé à l'aide de Populus.
Modifié en dernier lieu le 1.03.2017
- Déjà 9059 visites sur ce site!