Ara toe-karena
Ny firenena rehetra misy eto ambonin’ny tany na aiza na aiza misy azy dia tsy maintsy mametraka ny lafiny toe-karena ho zava-dehibe ao aminy, eny fa na inona na inona rafi-piarahamonina misy sy mijoro ao aminy, ary avy amin’izany no hitarafana ny fari-pivoarany tratrarin’ny mponina na hanasokajiana azy ho isan’ny firenena mandroso na andala-pandrosoana na mety hitenenana azy ho vao miana-mandeha.
Raha jerena ihany koa dia ity lafiny ara-toekarena ity no hitatarafana ny fari-piainan’ny mponina sy ny fomba fiainany, koa horaisinay ho vy miaina anehoana ny fiainan’ny fiarahamonina ny toekarena eny fa na dia Andrinampoinimerina mpanjaka teo imerina dia anisan’ny namporisika ny olona tsy hidonanam-poana fa hiasa mafy ka hoy indrindra izy “Ny mosary no fahavalo” sy ny hoe “izaho sy ny vary dia iray ihany” , teny mifono fampirisihina hiasa izany teny izany koa asehontsika amin’ireto izany.
(i): Ny fambolena izay mipoitra avy amin’ny vokatry ny tany
(ii): Ny fiompiana izay miseho avy amin’ny fikojakojana ireo biby fiompy
(iii): Ny taozavatra miainga avy amin’ny ezaky ny tsirairay.
(iiii): Ny asa hafa
I.3.1 Ny Fambolena:
Zanakin'ny Mpambolin'Antehiroka
Raha ato amin’ny faritra Antehiroka dia azo lazaina ho manana tombotsoa manokana mihoatra ny faritra hafa ny tananan’Andranoro noho izy manamorona sy akaiky ny lemak’i Betsimitatatra izay ao atsimon’ny tanana, izay lemaka lehibe tafiditra ao amin’ny faritra Antananarivo renivohitra, koa mitana ny laharana voalohany aminn’y fambolena ny voly vary satria ny 70isan-jaton'ny velaran-tany azo volena dia tanimbary avokoa.
Ny fotoana fambolem-bary amin’izany dia ny vanim-potoana voalohany (1ère saison). Mamafy ny ambioka ny volana May-Jona, ary mijinja vary kosa ny volana Janoary-Marsa. Nomena anarana hoe « vary aloha » moa izany fotoam-pamokarana izany » . Tsy mora anefa ny fanaovana io vary aloha io satria misy asa maro tsy maintsy atao amin’izany. Manomboka eo amin’ny fikarakarana ny taniketsa toy ny fiasana ny tany, fampidiran-drano, ny fandravoanana asa, ny fanalana ny ahitra eo andanin’izany koa ny fikarakarana ny ambioka izay tsy maintsy alona 1 andro aloha, avy eo dia ahotrika 3 na 4 andro mba ho vaky tsiry alohan’ny hamafazana azy eny antaniketsa.
Eo ihany koa ny fikarakarana ny tanimbary asiana zezika ary asaina. Rehefa tafiditra ny rano dia atao ny fandravaonan’asa na fanapotehana bainga sy ny fanalana nyahitra rehefa vita tsara avokoa izany vao atao ny famindrana ny ketsa na ny fanatsarana.
Andranoro sy vary ao aminy
Mandrapahatonga ny fijinjana ny vary anefa dia tsy maintsy misy ny fiavana azy in-droa na in-telo, izany hoe fanesorana ireo ahi-dratsy izay miara-maniry amin’ny vary.
Raha vita tsara daholo ireo fikarakarana rehetra ireo dia azo antenaina fa ho tsara ny vokatra ho azo.
Azo lazaina anefa fa tsy vitan’ny kamo mihitsy ny fambolena ny vary aloha, indrindra raha tototra tsikafona ny tanimbary, izany indrindra no nahtonga ilay oha-pitenenena hoe «Ny vary aloha dia tsy vitan’ny kamo » sy ny hoe «Ny vary loha mahafatra-po fa tsy mahavita-taona ».
Ny mahatonga azy tsy ahavita taona mantsy dia noho ny tsy fananan’ny isam-pianakaviana velaran-tany midadasika azony hanaranam-po eo amin’ny fambolena.
Eo andanin’izany koa ny fahamaroan’ny vava homana, fahita teo amin’ny fianakaviana malagasy mantsy ny fahamaroan’ny ankohonana, ary tena tsy mahavita taona mihitsy ny vokatra azo isan-taona, indraindray koa anefa noho ny fisian’ny loza voajanahary toy ny tondra-drano, ny rivo-doza sns… izay manapotika ny vokatra.
Ankoatra izany dia mila fikarakarana mafy ihany ny fambolena madinika, satria mbola ao daholy ireo voly mahasahana ny fiainana andavan’andro hita eny amin’ity faritra ity toy ny anana, ny hanikotrana isan-karazany, persil, tsaramaso, ny laiso,… ny voankazo toy ny voasary ny manga,… ary ny hani-kotrana toy ny katsaka, ny saonjo ary ny mangahazo nataony fanampin’ny fambolem-bary.
Raha ny eny an-toerana dia bola maro amin’ireo mpamboly no mbola miaina sy mampiasa hatrany ny fomba nentin-drazana amin'ny fomba fambolena. Zavatra azo harenina izany raha tiana ny hanana vokatsa tsara lavitra noho izay efa azo, ary mana ny andraikitra tandrify izany ny tsirairay.
I.3.2 Ny Fiompiana :
Anisan’ny iankinan’ny toe-karenan’ny firenena ihany koa ny lafiny fiompiana fa sady harena izy no sakafo mahavelona. Toerana malalaka sy be ahi-maintso ny manodidina ny tanana ka manamora ny fiompiana. Koa ny fiompiana manavanana ny olona dia ny fiompiana omby,kisoa, akoho amam-borona, ny Trondro, ny landy; na dia izany aza anefa dia tsy betsaka loatra izy ireny ary matetika dia vitsy satria mora mionona amin’izay efa ananany ny olona.
Loharanom-bola ny Mponina eny ny fiompiana satria misy dia misy tokoa ny raim-pianakaviana izay mamelona ny ankohonany amin’ny fivarotana ronono velona sy ny fivarotana vorona.
Araka ny filazan’ny loholona iray hoe: ny kisoa sy ny osy, ny ombibory ary ny soavaly dia fadin-dRanoro ka tsy azo nompiana tany andranoro fa ny kisoa no somary efa misy vitsivitsy ihany ankehitriny satria rehefa niha nahazo vahana ny fivavahana kristiana dia saika ho efa isam-pianakaviana ny miompy kisoa fa iretsy ambony kosa dia mbola tsy misy nanao dia ny osy, ombibory, ary ny soavaly .
I.3.3 Ny Taozavatra :
Hoy ity mpitondra fanjakana iray « Ianareo mpanao taozavatra no hery manosika ny toekarena amin’ny alalan’ireo mpizahan-tany ». Hita tokoa misy fahamarinany izany filazany izany satria ny taozavatra sy ny asa tanana amin’ny ankapobeny no anisan’ny fiveloman’ny mponina ao Andranoro.
Ny faritra Andranoro dia anisan’ny faritra feno herana sy zozoro izay zavamaniry anaty rano, koa ny rary no maro mpanao.
Zavatra hita eny aminy ity toerana ity ny fanenomana ny vokatra azo avy amin’ny landy saingy amin’ny vanim-potoana ankehitriny dia somary vitsy ny manao io noho ny tsy fisian’ny fitaovana, eo ihany koa ny fahamain’ny tany ka manjary tsy ampy sakafo ny landy, hany ka zary maty tsikelikely izany.
Fa ankoatra ireo dia fanefena tanimanga no mahasarika ny tanora maro, ary azo lazaina fa anisan’ny manana vokatra tsara raha ity faritra ity raha ny amin’izay, toy ny fananana biriky tanimanga, ny tafo taila, ny tafo tanimanga, ny fitaovana an-trano toy ny vilany tany, sinibe tany ary ny tavim-boninkazo, ny antony dia ahitana akora betsaka momba izany eo Andranoro dia ny tanimanga ary amin’ireo tany lonaka manodidina azy.
1.3.4 Asa Hafa :
Ankoatra ny fambolena sy ny fiompiana ary taozavatra dia manao asa hafa koa ny olona, hita misongadina amin’izany dia ny varotra, izay nanomboka nahazo vahana hatramin’ny nanorenan’Andrianampoinimerina (1785-1810) ny tsena.
Ny pousse pousse-n'Andranoro
Ny vokatra azo avy amin’ireo herim-po herin-tsandrin’ny olona sy nisasarany no amidiny amin’izany; ny Tsenan'Antaranjana,Morondava,Ambohibao,Talatamaty ary Nosibe no tena mahazatra ny olona manakalo ireo vokatra ho vola.
Ireo asa-pivelomana rehetra ireo anefa dia ahitana ny fiaraha-mientan’ny lahy sy ny vavy na fiaraha-miasa’ny lehilahy sy ny vehivany ary ny ankohonana ; izany hoe samy mandray anjara amin’ny asa famokarana avokoa ny rehetra noho izany dia olona tia miasa ny mponina eny amin’ity tanana ity.
|