ARK NETWORK reference.ch · populus.ch    
 
  
F.J.K.M Andranoro, Akon'ny Filadelfia 
 
 
Rubriques

Liens

 Home  | Livre d'Or  | Contact

IREO MPITANDRINA NIFANDIMBY

IREO MPITANDRINA NANAO NY ASA FANOMPOANA TETO AMIN'NY FITANDREMANA
 
 

IREO MPITANDRINA

 
 
Inona moa no atao hoe Mpitandrina 
Araka ny foto-dalana sy ny Fitsipika anatiny ao amin'ny FJKM (Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara) no jerentsika, dia izay mahatsiaro ny tenany fa voaantson’Andriamanitra ka niomana sy nianatra ara-dalana tao amin’ny kolejy teolojika na faculté de teolojia ary natokana ho amin’ny fanompoana masina ao amin’ny Fiangonana. 
 
Raha eto anivonn’y FJKM no resahina dia Mpitandrina no iantsoana ny Mpitondra fivavahana fa tsy mba mitovy amin’ny antokom-pinoanana hafa, izany hoe izy no mikarakara ny ondrin’Andriamanitra, misahana ny ondriny sy ny miandry ny ondriny amin’ny fahavalony rehetra izay mety mitondra fampianaran-diso na mitarika azy amin'ny lalan-tsy izy. Mpamahana azy amin'ny tenin’Andriamanitra araka ny hevitry ny anarany satria ny mpitandrina dia toy ny olona iray manao fiandrasan’ondry no anton-draharahany. 
 
Midika ihany koa hoe ministry ny fiangonana protestanta , raha araka ny heviny sy ny zava-kendreny ary tsy hafa amin’y anarana niantsoan’I Jesoa ny tenany ny mpitandrina na mpiandry ondry fa hoy Izy “Izaho no mpiandry tsara, mpiandry tsara, manolotra ny ainy hamonjy ny ondry”. Izy no mpiandry lehibe indrindra sady lohan’ny mpiandry rehetra sady natao ho medelin’izy rehetra koa, ny Mpitandrina izany raha adika fohy dia hoe Olona nofidin'i Kristy manokana 
 
Maromaro ny teny hentina milazana ny mpitandrina na ny loholona hita ao amin’ny fanekena vaovao (Testamenta Vaovao) ary tsy latsaky ny in-dimy izany, nalaina avy amin’ny teny hoe “Eveka” koa ny teny hoe MPITANDRINA, ampiasaina matetika ilazana mpitan-draharaha indrindra fa ireo mpanao raharaha samihafa momba ny tanana tao amin’ny fiarahamonina grika koa tamin’ny taonjato faharoa (II) 
 
Taty aorian’ny nanorenan’ny fiangonana voalohany dia azo lazaina fa maro ny olona no efa nanaiky ny maha andraikitra lehibe ny maha mpitandrina indrindra teo anivon’ny fiangonana sy ny fiarahamonina misy azy. Nanana Mpitandrina nifandimby ny Fitandremana Andranoro. 
 
IREO MPITANDRINA NIFANDIMBY 
Raha mijoro ny fiangonana tamin’ny 1864 dia tsy nisy mpitandrina fa nifandimby nitarika izany ny kristiana havanambanana tamin’ny fitarihana, teo amin’ny fanompoam-pivavahana sy raharaha mety hilana mpitarika ary ireo nafana fo no nikely aina nitarika ny fanompoam-pivavahana fa tamin’ny taona 1874 kosa dia natsangana ho mpitondra sady mpitandrina I tompokolahy RALAMBOFARANTSA 
 

 
Ireo Mpitandrina nifandimby
nanomboka izany i Tkpl RALAMBOFARANTSA Mpitandrina.

 
     
  • Ny 1885 rehefa hita fa niha osa izy dia nampiana an’ Itompokolahy RAINIKETABAO hatramin’ny 1906
     
  • Ny taona 1907 dia nampiana an’I RAINIZANAMANGA maty ny taona 1919. 
     
  • Nandimby azy 1920 I tompokolahy RAKOTOVAO izay niasa telo taona monja dia maty 1923, taorian’io dia tsy nisy mpitandrina teo anelanelan’ny 1923-1924. 
  • Ny taona 1925-1929 dia ingahy RADAFY
     
  • Ny taona 1931-1961 dia Rabarison Joseph no niangavian’ny fiangonana mba hanao fizaran’asa tao aminy na dia mbola mpianantra tao Ambohipotsy aza, nefa dia naharitra 30 taona tao izy. Manamarika izany ny takilam-pahatsiarovana an'izany Mpanompon'Andriamanitra izany. 

     
     
    Mpitandrina RABARISON Joseph 

     

  • Nandimby azy ANDRIANONY André 1962-1967 nefa noho ny antony maro samihafa dia niala tao ny taona 1967. 
  • Ny volana Août 1968 kosa dia voafidy hitondra ny fiangonana Andranoro indray ny Mpitandrina RAKOTONDRAMANANA ary nisotro ronono tao ny taona 1990, nandimby azy RAJAOBELINA Seth ny 1991-2001, nefa voatery niala noho ny antony maro teo aminy sy ny fiangonana. 
  • Ny Mpitandrina RATSIRESY Gilbert nanomboka ny taona 2002 ka hatramin'ny taona 2006 
  • RAVELONARIVO Cyriaque no nadimby ny Mpitandrina RATSIRESY G. ary nitondra tao izy nadritry ny roa taona.  
     
  • Nadia teo aza izany rehetra izany dia nidina indray ny synodamparitany nametraka ny Mpitandrina vaovao ny volana Septambara 2008, dia ny mpitandrina RAKOTONARIVO Benjamina. 

     
     
    Ny Mpitandrina niasa nanomboka ny taona 2008-2014 

     
  • RANDRIANASOA Harimbola Mpitandrina no nadimby ny Mpitandrina RAKOTONARIVO Benjamina izay noraisin-tanana ny novambra 2016.  
     
     
    Ho famintinana izay rehetra izay dia ireto ary ny daty sy taona nitondran'ireo Mpanompon'Andriamanitra. 
     
       
    • RALAMBOFARANTSA 1874-1899 
    • RAINIKETABAO 1886-1906 
    • RAINIZANAMANGA 1907-1919 
    • RAKOTOVAO 1920-1923 
    • RADAFY 1925-1929 
       
    • RABARISON Joseph 1931-1961 
    • RANDRIANONY André 1962-1967 
    • RAKOTONDRAMANANA 1968-1990 
    • RAJAOBELINA Seth 1991-2001 
    • RATSIRESY Gilbert 2002-2006 
    • RAVELONARIVO Cyriaque 2006-2008 
    • RAKOTONARIVO Benjamina 2009-2014 
    • RANDRIANASOA Harimbola no mpitandrina ao ankehitriny
 
 
 
II.3.2 Ireo asa sahanin’ny Mpitandrina 
 
Raha ny hitantsika teo anefa dia tsy hary nandalo toeram-panomanana avokoa ireo mpitandrina nifanesy tao amin’ny fitandremana Andranoro fa noho ny hai-zatra fotsiny ny asa nosahaniny, nefa na izany tsy mifanipaka velively amin’ny foto-dalana sy fitsipika nofaritan’ny synoda lehiben’ny FJKM taty aoriana izay milaza ny asa sahin’ny mpitandrina “adidin’ny mpitandrina ny mitory sy mampianatra ny tenin’Andriamanitra ary miandraikitra ny fanatanterahana ny sakramenta sy manatanteraka ny asa rehetra maha mpitandrina azy”, hita eto amin’ity andininy ity fa laharam-pahamehana voalohany amin’ny asan’ny mpitandrina ny fitoriana sy fampianarana ny tenin’Andriamanitra. 
Toy ny Mesia (Kristy) ilay mpanompon’I Jehovah araka an’I Isaia II , mampionona ny olona manitsy sy manamboatra ary mananatra ny maditra manolo-tsaina ny reraka, indrindra ny hampitodika ny olona indray amin’Andriamanitra. 
 
Tahaka izay nataon'ilay zanak’Andriamanitra no hany ataony ety an-tany araka izay voalazany heo: “Ny zanak’olona tsy tonga mba hotompoina …” , tsy hotompoina fa hanompo ny fiangonana. 
 
“Tsy afaka manao izay tiany atao ny olona nofidian’Andriamanitra(Mpitandrina) fa hanao ny asany noho izy lasa andevoni Kristy” hoy Ramambasoa Joseph Mitandrina , noho izany dia tsy asiana fepetra ny fanompoana fa raha ilaina aza dia mety ihatra amin’ny fanolorana aina ho avotra na atao sorona ahatanteraka ny zara fanompoana dia ny FITORIANA NY FILAZANTSARA amin’ny olombelona rehetra. 
 
Izany indrindra no nanafaran’ny apostoly Paoly hoe “mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny faharim-po sy ny fampianarana rehetra” , adidy lehibe tsy azon’ny mpitandrina ialana izany, baiko nomen’ny Tompo ny fitoriana ny fampianarana ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. 
Hoy I Paoly Apostoly raha nilaza ny halehibeazan’izany adidy sy andraikitra izany “Lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho”, marihina fa tsy niantso olona hidonanam-poana tsy akory ny Tompo fa misy asa sy andraikitra ary toerana voafaritra tsara iantsoana ny mpitandrina ka nahatonga azy ho tia ny olombelona rehetra, te hamonjy azy ary mikaroka amin’ny fomba rehetra handraisany ny teny soa mahafaly. 
Hitantsika tany aloha fa ny hevitry ny anarana hoe “Mpitandrina dia manao ho anton-draharaha ny fiandrasana ny ondry, io ilay nanafaran’ny Tompo an’I Petera “fahano ary ny ondriko…, andraso ary ny ondriko… fahano ary ny ondriko”  
Araka izany ny asan’ny mpitandrina dia asa mahasahana ny olona rehetra sy ny olona manontolo mihitsy, noho izany tsy mora ny asan’ny mpitandrina fa misedra olana ihany koa. 
(Araka ny Mpitandrina Vongo Saiens Gloco/ Zanaky ny Fiangonana) 
 
II.3.4 Ireo zanaky ny Fiangonana tonga ho mpitandrina 
 
Andriamanitra dia miantso olona mandrakariva mba hanehoanay ny voninahiny sy hiara-miasa aminy amin’ny fampielezana ny filazantsara ary izy mihitsy no miteny fa “Indro izaho momba anareo mandrakariva” sy ny hoe “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany ankibo no efa fantatro, ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena” , izany hoe Andriamanitra mihitsy no mifidy izay tiany hiara-miasa aminy sy tompon’andraikitra amin’ny olona heveriny hanao ny asany, koa anisan’ny nanehoany izany ireo olona teo anivon’ny Fiangonana Andranoro mba ho vavolombelony eo anivon’ny fiarahamonina misy azy ireo. 
 
Noho izany dia ireto avy ireo nantsangany teo anatin’ny maro hanao asa manokana dia ny ho mpitandrina izany.
 
     
  • Itompokolahy RASON mpitandrina 
  • Itompokolahy RANDRIAMORASATA mpitandrina 
  • Itompokolahy RAZAFIMANANTSOA mpitandrina 
  • ROBSON Rado Lalaina Johary
 
 
Ireo efa nisahana ny katekista nomen’ny LMS andraikitra teo anivon’ny Fiangonana
 
 
 
  • Itompokolahy James RAJONSON 
  • Itompokolahy Edmond RANDRIAMOSE 
  • Itompokolahy Alphonse RAZAFINDRAKOTO 
  • Itompokolahy Jean RAKOTOZAFY 
  • Itompokolahy Beni RAZAFIALIVONISON 
  • Ny Mpitandrina Vongo Saens Glauco 
  •  
    Eto amparanana dia tsara ihany koa ny manamarika fa manana Mpampianatra izay nandalo fotoam-piofonana tany amin'ny FJKM FOIBE ny Fiangonana. 
     

     
    ARA-GEOGRAFIA ARA TOE KARENA ARA TANTARA ARA KOLOTORALY
     
    NY TEMPOLY IREO MPITANDRINA NY DIAKONA NY FANITARANA
     
    DORKASY SEKOLY ALAHADY VOKOVOKO MANGA SAMPANA FIFOHAZANA
     
    SAMPANA TANORA KRISTIANA SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA ASA FITORIANA FILAZANTSARA SAMPATI
     
     
    VOADY DON FANOMEZANA FANOHANANA HIFANERASERA IREO VAOVAOM-PIANGONANA

     

    (c) Akon'ny Filadelfia - Créé à l'aide de Populus.
    Modifié en dernier lieu le 1.03.2017
    - Déjà 9059 visites sur ce site!