ARK NETWORK reference.ch · populus.ch    
 
  
F.J.K.M Andranoro, Akon'ny Filadelfia 
 
 
Rubriques

Liens

 Home  | Livre d'Or  | Contact

SAMPANA TANORA KRISTIANA

 
 

Sampana Tanora Kristiana Fitandremana
 
 
Manana sampana tanora ny fitandremana Andranoro Filadelfia ary raha ny isa no jerena dia maro tokoa ny tanora. Tokony ho eo amin’ny 110 hatramin’ny 150 ny kristiana dia tanora avokoa raha ara-tantara dia tamin’ny taona 1891 no mitsimoka voalohany ity sampam-piangonana atao hoe TANORA KRISTIANA ity ny volana May izany ary nahazo alalana tamin’ny fanjakana mpanjanantany frantsay tamin’ny 22 janoary 1913 , izany hoe tsy ela loatra taorian’io dia efa tafapetraka tao anivon’ny Fiangonana Andranoro izany koa tamin’ny taona 1931 no nijoroany voalohany tao anatin’ny fiangonana ary tonga dia nahitana mpikambana 83 nivory isaky ny alahady fahatelo ary mbola hita mandrak’ankehitriny io firoboroboany io, saingy eo amin’ny fanoloran-tena sy ny fandraisana andraikitra no misy indro kely.  
 
Mandroso tsara tokoa ny STK raha jerena, tombontsoa lehibe ho an'ny Tanora tahaka itony mantsy ny manana Mpitarika efa zaha-draharaka ary manana fahamatorana ara-panahy. Tsy ory izany ny tanora na ny STK Andranoro satria ny Mpiandry no mialoha sy mitarika azy ireo amin'ny asa.  
 
IREO ZANAN-TSAMPANA AO AMIN'NY STK
 
 
IREO ANTOKO-MPIHIRA 
 
1-HERMONA 
Araka ny fanambaran'ireo Zoky olona izay efa ela nivavahana sy voataoiza tao amin'ny Fiangonana dia ny Antoko Mpihira HERMONA no nisy talohan'ny Eliata.Maro ny tanora voatarika tamin'izany ary mbola ao ireo zokibe mitarika ny tanora ankehitriny.
 
 
2- NY ELIATA SY NY OLANA NOSEDRAINY: 
Raha ny fikambanana no ambara dia ity fikambanana ELIATA ity no azo lazaina ho niorina volohany teo amin’ny fitandremana Andranoro. 
Antoko mpihira izy ity ary tamin’ny 25 mai 1969 no nanokanana azy ary ny mpitandrina RAKOTONDRAMANANA no niandraikitra ny fanokanana izay nahitana mpikambana 44 mianadahy ka ny hira voalohany nataony dia hoe: 
“Haleloia, 
Haleloia,  
Midera an’I Jehovah”  
Ny mpiandraikitra ny hira dia Andriamatoa RAKOTONIRINA Jean tamin’izany fotoana izany saingy rehefa niorina 5 taona dia nisedra olana goavana ity fikambanana ity. Araka ny proces-verbal tamin’ny 20 janoary 1974 dia rava ity antokom-pihira Eliata ity araka ny fitanana ara-tsoratra nataon-Drakotondramanga Edmond présidentn’ny antokom-pihira tamin’izany fotoana izany nefa ny juin 1974 vao tena nana-kery, izany hoe foana teo ilay jiro fanazavana ilay fiangonana araka izany dia mbola maro no manantena ny hiorenany indray eo anivon’ny fiangonana ankehitriny noho iznay dia mila mpitarika indray izy raha ilaina izany. 
 
3- NY FAHATERAHAN'NY ANTOKO MPIHIRA FEON'NY FILADELFIA (A.M.F.F) 
Ny fiorenan’ity antoko mpihira ity dia vokatry ny tsy fitovian-kevitra teo anivon’ny mpikambana tao amin’ny antokom-pihira ELIATA nefa noho sitrapon’Andriamanitra hoe “zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana nefa ny Fanahy dia iray ihany” dia tafatsangana soa aman-tsara ny antokom-pihira feon’ny Filadelfia (AMFF) tamin’ny taona 1973 dia ny teny ao amin’ny soratra masina hoe: “izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena” ,no teny faneva noraisin’izy ireo araka izany dia mbola mijoro ara-dalana hatramin’izao. 
 
Takilam-pahatsiarovana ny niorenan'ny FFA
 
 
FFA "FEON'NY FILADELFIA ANDRANORO" no tena niandohany fa efa taty amin'ny 16 ( ENINA AMBINY FOLO) taona taty aorian'ny nitsanganany vao AMFF "ANTOKOM-PIHIRA FEON'NY FILADELFIA". Manamarina izay ny fisian'ny TSANGAM-BATO JOBILY ny FFA mipetraka ao amin'ny Fiangonana ary ny Mpitandrina RAKOTONDRAMANANA no nanome io anarana farany io. 
 
4- NY TROMPETRA VOLAFOTSY ANDRANORO (T.V.A) 
Ny trompetra volafotsy dia zana-tsampana ao anatin’ny tanora kristiana (STK) ihany fa naorina ho mahaleo tena fotsiny tamin’ny 17 janoary 1989 ka ireo azo lazaina ho manna-talenta manokana amin’ny hira zava-kanto hafa no navondrona ao anatiny ary tanora mbola herotrerony amin’ny taona no maro ao anatiny izay tia fivoarana satria araka ny hita dia nahavita (VCD) raki-kira amin’ny kapila mangirana ity fikambanana ity tamin’ny janoary 2006. 
Tiana ny manamarika fa ity raki-kira mangirana ity no raki-kira voalohany misy teo anivon’ny fiangonana Andranoro. 
5- NY FIKAMBANANY HO IRAY 
Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomeanao Ahy, dia mba ho iray ihany izy tahaka maha iray antsika. Jao 17: 11b 
Tsaroana tokoa izany tonom-bavaky ny Tompo izany raha nitondra am-bavaka ireo Mpianany Izy. 
Ny taona 2010 no nikambana ho iray ny Antoko Mpihira AMFF sy Trompetra volafotsy. Mia miroborobo fatratra ny ity rantsana ity noho ny fahavononan'ireo Mpitarika handray ny amboara Masina dia ny Fiainana mandrakizay. Raha hasian-teny ny andro Fianaran-kira dia re manakoako aokizany ny feo mangan'ireo antoko mpihira roa tonta izay nakamban'Andriamanitra ho iray ankehitriny. Ary ny zavatra izay tena mahafaly dia ny fampianarana Soratra Masina mialohan'ny Fianaran-kira 
 
 
6- IREO RANTSANA HAFA: 
Maro ny zanan-tsampana ao antin'ny Sampana Tanora Kristiana Andranoro. Ary mbola eo an-dalam-piasana sy fikarohana izy ireo, anisan'ny mandrafitra izany mantsy ny: 
     
  • Rantsana Langue 
  • Rantsana Sport 
  • Rantsana Informatika 
  • Rantsana Mpihira .... 
 
 
 

 
ARA-GEOGRAFIA ARA TOE KARENA ARA TANTARA ARA KOLOTORALY
 
NY TEMPOLY IREO MPITANDRINA NY DIAKONA NY FANITARANA
 
DORKASY SEKOLY ALAHADY VOKOVOKO MANGA SAMPANA FIFOHAZANA
 
SAMPANA TANORA KRISTIANA SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA ASA FITORIANA FILAZANTSARA HIFANERASERA
 
SAMPATI
 
 
VOADY DON FANOMEZANA FANOHANANA HIFANERASERA IREO VAOVAOM-PIANGONANA

 

(c) Akon'ny Filadelfia - Créé à l'aide de Populus.
Modifié en dernier lieu le 15.07.2010
- Déjà 9059 visites sur ce site!