doany
NY SAMPY AMIN’NY ANKAPOBENY
____________________________________________________________________________________
A-Famaritana:
Ny sampy dia fototeny anarana ahazoana ireto teny vahiny maromaro ireto:
- “fetiche” sy “idole”
:
Ny hoe fetiche dia ody no heviny; ny idole dia avy amin’ny teny grika hoe (eidolon) izay adika amin’ireto teny frantsay maromaro ireto:
- “Image” adika ho sary, endrika, fiheverana, fahatsiarovana sarinjavatra ao an-tsaina
- “Figure”endrika, bika, tarehy, sary tsotra loatra, fanoherana, ohatra ary tandindona.
- “Effigie” sary olona .
Raha tovonana “isme” ny teny hoe “fetiche” ary “astrie” ny idole dia ahazoana ny hoe FETISCHISME sy ny IDOLATRIE
Ny teny hoe fetichisme dia milaza fiankinana amin’ny ody sy fanajana azy diso tafahoatra ary ny hoe idolatrie kosa dia fitambaran’ny teny image (sary) sy culte (fanompoam-pivavahana) , noho izany ny teny hoe idolatrie dia fanompoam-pivavahana atao amin’ny sary malaza fiondrehana sy fivavahana amin’ny sary izay omena ny toeran’Andriamanitra izany:Izay ilay antsoina amin’ny teny mahalaza azy hoe “Fanompoan-tsampy”.Manamafy izany ny tenin’I Suzanne de Dietrich izany hoe “Ny fahefana hafa rehetra izay mitady hanapaka ny olona dia nangalatra ny toerana sy ny fahefana izay an’Andriamanitra irery , araka izany dia izay rehetra zavatra heverin’ny olona hasolo ny toeran’Andriamanitra dia sampy avokoa.
B-Ny Fidirana sy Fivoahana ao amin'ny Doany:
Izay rehetra te-hiditra ny doanin-dRanoro dia tsy maintsy manaraka ny toro lalana rehetra izay misy ao ary indrindra fankatoavana ho an’izay tena mpanompon-dRanoro.Araka ny filazan’ny mpiandry doany dia:
Raha hiditra
-Tsy maintsy manala kiraro na kapa,
-Tsy azo entina ao ireo zavatra fady ao aminy.
-Ny tongotra havanana no miditra aloha.
Raha hivoaka
-Tsy mahazo miamboho lapa alohakelin’ny vavahady
-Ny havia no mivoaka mialoha
-Tsy azo atao ny misatroka rehefa miditra.
D-Ny Fanatitra - Sorona:
Ny fanaovana fanatitra na sorona dia entina hanaporofoana ny fiheverina fa misy firaisana lalina eo amin’ny razana sy eo amin’ny olona mpanompo sy mivavaka aminy. Koa na vola aman-karena maro aza no lany amin’izany dia tsy mampaninona azy izany fa ny zava-kendreny dia izao ihany: faly ny razana rehefa omena zavatra ka mitahy ny velona rehefa avy nandray izany, ary manome izay angatahina aminy. Koa rehefa avy manao vavaka ireo olona tonga hangata-pitahiana ao dia manao sorona na manatitra fanatitra toy ny:
- Tantely
- Vatomamy
- Vola hatao hasina
- Ranomanitra
- Akoho lahy mena
- Akondro, sns...
Ao anatin'ny volana septembre hatramin’ny volana desambra no fotoana anaovana ny sorona rehetra. Arakaraka ny andro omen’ny mpanandro no taom-baovao hamonoana omby izay atao fanatitra ho an-dRanoro(fanahin-dRanoro. Ary izany dia tena fety be tokoa ho an’ireo mpanompo azy, ny omby vonoina amin’izany dia tsy ny omby rehetra fa misy karazany dia ny omby volavita.
Ny Omby volavita moa dia omby misy fotsy ny handriny, tampon-dohany, ny feny ary ny rambony. Ity karazan'omby ity dia fanolotra ny mpanjaka hoenti-manaja azy fahiry rehefa misy lanonan-dehibe na koa fety. Raha tsy mahita omby volavita ho an’ny andriana dia soloina omby mazava loha.
Tsy ny olona rehetra koa no mahazo manonona azy io fa olona efa voatokana dia ireo antsoina hoe: mpisorona, izay olona mpitsabo na mpitaiza olona amin’ny alalan’ny fanompoan-tsampy sy ny fivavahana amin’ny razana .
Ireo mpisorona no mpandatsaka ny ran’ilay omby eo amin’ireo vatolampy isan-karazany. Misy amin’ireo olona vory eo no maka amin’io ra io ka ahosony na sotroiny na entiny mody satria ninoana fa mitondra fitahiana sy fahasoavana ho azy.
Ny hena kosa dia zarazarina atao isan-toko ary ny sasany dia amidy amin’ny olona manatrika eo mba hanonerana ny vola izay nividianana ny omby.
Araka izany ny zavatra rehetra naterina ho fanatitra sy ny zavatra rehetra avy ao amin’ity doany ity dia tsy azo ampiraisina amin’ny zavatra……… dranomasina raha te hihinana na ahandro ny zavatra avy ao fa sira vondrona no ampiasaina izay hita eny amin’ny mpivarotra tapakazo .
Manaraka izany dia manana ny fiantsoana azy koa ity masina Ranoro ity, ho hitantsika ao amin'ny andalana manaraka.
E-Ny amin’ny vavaka fanao aminy
Amin’ny maha fivavahana tahaka ny fivavahana rehetra ny fivavahana amin’Andriambodilova sy Ranoro masina dia misy tokoa ny vavaka fanaon’ireo olona izay manompo sy mivavaka aminy.
Azo lazaina anefa fa tsy misy ny vavaka raikitra tahaka ny litorjia izay voarindra tsara any amin'ny tempolin'Andriamanitra ny fanao fa ny olona tsirairay avy no manao vavaka araka izay fihetsem-pony. Ohatra ny amin'izay ity.
E! Andriamanitra! E! Andriananahary
E! Andriambodilova! E! Andriatsimandafika!
E! Ranoro masina!
Tonga ny zanakareo, poritra ka mantona anareo, marary ka mivavaka aminareo ary mandady tongotra ary mandady tanana, avy milela-paladia! Mba sitrano amin’izao aretina izao. Fa raha sitrana dia ho avy hanamasina anareo izahay.
Ny te- hanan-karena, ny te-hiteraka, ny handeha lavitra eto dia samy manao toy izay avy araka ny zavatra iriany avy.
Raha dinihina sy fakafakaina io vavaka io dia anisan’ny vavaka nenti-paharazana fotsiny ihany satria amin’ny voalohany dia miantso an’Andriamanitra Andriananahary ary mitohy avy hatrany amin’ny fiantsoana ny razana izany....
Araka ny fiheverana teo amin’ny Malagasy mantsy dia Andriamanitra Andriananahary no ambony sy lehibe indrindra mihoatra amin’ireo andriamanitra hafa rehetra koa izany no hanononany azy voalohany.
Noheveriny koa ho mpanelanelana azy amin’Andrimanitra ny razana, noho izany dia nataony mitovy laharana amin’ny tena Andriamanitra ka nivavahany sy ninoany ho mitahy azy, azo lazaina araka izany fa tsy tamin’Andriamanitra tokana (monotheisme)no nivavahany fa tamin’andriamanitra maro (polytheisme).Io fomba fiantsoana io dia saika mitovy avokoa ny fomba amin’ireny doany samihafa ireny ary indrindra ny doany samihafa manodidina an-dRanoro.
Doanin-dRakotomaditra
F-Ireo doany manodidina an’Andranoro
Maro tokoa ireo doany manodidina sy ao amin'ity tananan’Andranoro ity satria anisan’ny tena mpanompo azy ireny tokoa ny mponina teny fahiny. Araka ny fanambaran'ireo Ray aman-dRenibe mantsy dia Antehiroka no karazana toerana nofidin'ny Mpanjaka ho fitehirizany ny odinyy. Noho izany dia mora tamin’izy ireo ny nanorina azy teny amin’ity faritra ity, hany ka dia saika ny faritra Antehiroka no feno azy.
Raha ny manodidina an’Andranoro fotsiny dia ireto avy izy ireo ankoatry ny doanin-dRanoro masina:
- Ny doanin-dRakotomaditra:
Zanak’I Ranoro ao Andranoro izay eo akaikin’ny doanin-dRanoro ihany.
- Ny doanin’Andriambelomasina:
Eny Ambohidroa Antehiroka commune Ambohimanarina
- Ny doanin’Andriambodilova:
Eny Anosisoa Ambohimanarina no misy azy.
- Ny an’Andriandranando sy Ibendralambo atao hoe Andriandambomalala:
Eny Faralaza talatamaty.
- Razanakiniaina, Ambohijanaka Antehiroka
Ratsihory rennin-dRanoro, Antaranjana Andranoro ihany.
Raha ireo sampy sy doany ireo sy ny habetsahany no jerena dia manamarina fa tena taranaka olona nanompo karazan-javatra maro tokoa raha ny olona teny amin’ny manodidina sy ny tao an-tananan’Andranoro ary fatra-panaja ireny satria ireo rehetra ireo dia mbola hita eny avokoa mandrak’ankehitriny.
Na dia eo aza anefa izany rehetra izany, tsy mijery fotsiny azy ANDRIAMANITRA, fa tiany tahaka ny hitiavany antsika rehetra ihany koa na dia ny tena ratsy aza.Izany no antsony nahatongavana hamonjy antsika rehetra.
NY MAHA SAMPY AZY!
Ny Soratra Masina dia mitantara betsaka ny amin’ny sampy anisany izany ohatra ny firenena izay niavian'i Abrahama dia ny tao Oran’I Kaldea. Nanompo sampy koa izy talohan’ny nahalalany an’Andriamanitra ary raisina ohatra ny zanak’Israely, dia niankohoka sy nivavaka tamin’andriamani-kafa toy ny Astarata, Bala, Hermosy, Moloka … sns
- Bala: sampin’ny olon tany Fonika
- Astarta: Sampin’ny Filistina
- Moloka: andriamanitry ny Amorita
- Misy sampy hafa koa nivavahan’ny olona ambaran’ny testamenta vaovao: Diana Astenosy, Jopitera, Merkory
- Diana:
andriamani-bavin’ny grika sy ny Romana.
- Merkory:
isan’ny andriamanitry ny grika sy fivavahan’ny olona tamin’ireo andriamanitra.
Ny fanaon-drazana
Maro ny teny mety hamaritana ny atao hoe sampy fa ny zavatra hiraisan’izy ireo izao voalaza izao: Izay rehetra mety hametrahan’ny olona ny finoany, ny fitiavany, ny fahatokiany,ny fiainany... sns mihoana an’ANDRIAMANITRA TOKANA MPAHARY.
Betsaka aok’izany ireo olona milahatra mamonjy ity doany ity mangatam-pitahiana amin’ny Razana (fanahin-drazana), satria heveriny fa ao no ahitana ny soa sy ny tena fanasitranana. Ary ireny karazan’olona ireny no atao hoe mpanompo sampy.
Halan'ny olona ny antson'azy amin'izany anarana izany kanefa, tsy maintsy lazaina na tiany na tsy tiany!!
Raha atao indray mijery tokoa mantsy dia tena toa marina fa misy ireo sitrana .... kanefa rehefa dinihina lalina dia tena saritsarim-pahasitranana, sarintsarim-pahanavotana no azo ary tena asan’ny maizana no manjaka.
Asan’ny maizina hoe? Ahoana no hitsarana avy hatrany fa asan’ny maizina ho ianao?
Rehefa mbola tsy tonga ny fahazavana dia mazava loatra fa ny aizina no manjaka ao.Porofo azo tsapain-tanana izany eo amin'ny fiainantsika andavan'andro.Efa nahalala an’Andriamanitra isika Malagasy ary maro ireo fomba fomba natao tamin'izany ....rehefa tonga ny filazantsara dia tsy maintsy harenina izay tsy mety....koa tsara ny manamarika fa tsy ny fomba Malagasy rehetra no ara-baiboly (Soratra Masina) avokoa.Anisan’izany ny fanompoana ny razana na firaisam-petsapetsa aminy: toy ny Famadihana, Fangataham-pitahiana amin’ny maty, ny Fangataham-pitahiana amin’ny Razam-be, na ihany koa ny fivavahana amin'ny fanahy izay mitoetra ao amin’ireny toerana antsointsika hoe Doany ireny raha izay no mahalaza azy kokoa.
Ry havako izay mamaky izao raki-tsoratra izao. Tsarovy fa tsy anio na ho rahampitso ny ho tsapan’ny olona mbola milona ao anatin’ny fanompoan-tsampy ka mankafy ny fandehanana mitety ireny Doany ireny fa tena miroso amin’ny lalan-tsy izy izy.
Mety mbola miroso hatrany ny fiainany kanefa hoy aho aminao miroso ihany fa miroso mankany amin’ny ratsy dia ny fahaverezana sy ny fangirifirina izany. Hain’I satana mantsy ny mandambolambo azy ka jambena ny masony tsy mahafantatra izay tena izy sy marina. Porofo azo tsapain-tanana ny fisian’ireo fombafomba izay atao any am-piangonana, toy ny fanononana ny anaran’Andriamanitra (Zanahary) alohan’ny hanaovana ny asa rehetra ary rehefa vao ny anaran’ireo razana, ny sasany aza mampiasa ny Baiboly, labozia, hira ao anaty fihirana… hany ka very hevitra ihany ny rehetra ka lasa latsaka ao anatin’ny velam-pandrik’ilay ratsy satria mihevitra izany ho toy ny mivavaka ihany izy ka azo atao ny mampifangaro an’Andriamanitra sy ny razana.
Raha ny momba an’i satana dia maro ireo olona izay efa nanompo azy na tamin’ny endrika fivavahana, na fahagagana, na fanasitranana, na ody, na sikidy… no nasondrony ho ambony dia ambony kinanjo tena latsaka lalina ao anaty lavaka lalina mangitsokitsoka….Saingy teo Jesoa Kristy nanolo-tanana azy ka nampiakatr’ azy indray ho ao amin’ny ilay fiainana mandrakizay.
[Nangataka fanasitranana ity ranamana dia sitrana, nangata-jaza dia nahazo, nitady asa, vady, harena, fandresena tamin’ny lalao baolina dia nahita,… izay rehetra nangatahiny toa azony avokoa.Inona tokoa moa no maha ratsy izany? Nandeha teny ny volana nandeha ny taona. Ilay zaza izay noheverina fa nangatahina dia nihaina sy nitombo tamin’ny hozo ka taty aorina demoniaka ny zanany. Ny karama tatiaoriana izay azo tamin’ny asa toa lany amin’ny toaka ary na dia nisy aza ny zavatra nitsanga toa tsy dia hita naharitra loatra izany. Nanomboka narary (ara-panahy) ny anao lahy ka niafara ny fitondrana azy tany amin’irony Toby irony ary ny teo an-tanana dia nahoraka fa fanahan’ny maty no ao anatiny……]
Tsaroako ilay tenin’ilay lehiben’ny mpamosy tatsy Afika Atsimo izay efa nihaona tamin’I Lusifer izay hoe: pour satan rien n’est gratuit. Ary tena marina tokoa izany.
Tsy trangan’olona iray na roa na kolo no nahafana manoratra aminao izao fa efa olona am-polony maro izay efa nifanesy nihaina nadrintry ny taona maro ... ary ny zavatra hita dia mitovy ihany. Koa aoka isika tsy hanaiky ho fitahiny amin'ny kely foana fa i satana anie ka fetsy e! Taiza moa ny toerana tsy efa hitan'ilay ratsy, eny na dia ny tany an-danitra aza. Firy taona izy no nihaina ary firy taona isika.....
Resaka Fanahy
Raha ny mahakasika ny Fanahy no resahina dia maro ny dikany izay mamaritra azy ao amin’ny Baiboly.Aminy maha boky azy mantsy dia izay hevitra tian’ny mpanoratra hanehoana azy no hanoratany azy.
Ao anatin'ity lahatsoratra ity dia miendrika fampianarana ity dia ny momba ny Fanahy Masina sy ny fanahy izay any amin'ireny doany ireny no ho resahantsika.
Rehefa mihira ny Kristiana ao am-piangonana tahaka ny hira ao amin’ny FFPM 190,175,176 ... sns dia mazava loatra fa Ny FANAHIN'ANDRIAMANITRA no ambarany sy antsoiny amin’izany.
Ny Andriamanitry ny Kristiana dia maneho ny asa panavotany amin’ny endrika telo: Io ilay ataontsika hoe Andriamanitra telo izay iray. Inona avy moa izany:
1-Izy Andriamanitra no miteny mivantana (hitantsika izany ao ao @ fanekena taloha izay niantsoany ny mpaminany lehibe hanitsy ny fivavahan-diso tamin’ny razana)
Ohatra Eksodosy 34:14:Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.
2-Izy Andriamanitra no miasa amin’ny Alalan’ny Zanaka
Hitantsika izany ny amin’ny fahatongavan’ny Jesoa Kristy araka izay nambarany hoe Izaho sy ny Ray dia iray ihany Jaona 10:30.
3-Izy Andriamanitra no miasa amin’ny alalan’ny FANAHY MASINA.
Ny Fanahin’Andrimanitra miasa no nahafahan’ireo Apostoly nanasitrana,nanangana ny maty, nanintsy izay fivavahan-diso ary izany asa izany mbola tohizan’ny Fiangonana mandraka androany. Fa izao no voalazan’i Jaona ao amin’ny filazantsara izay nosoratany.Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.Jaona 4:24. Aoka anefa tsy ho diso hevitra isika! Ka hihevitra na koa handray izany mivilana fa tsy azontsika sarahina ireo teny roa ireo dia ny Fanahy sy ny Fahamarinana.
Inona moa ilay fahamarinana ambara eto?
Ny fahamarinana dia tsy misy afatsy iray ihany dia I Jesoa irery ihany. Fa Hoy Izy: Izaho no lalana sy FAHAMARINANA ary Fiainana. Manampy antsika ihany koa izay voalaza ao amin’ny Eks 34:14. Noho izany TSY MARINA eo anatrehan’I Jehovah ny fivavahana amin’ny razana
Fanaon’ilay Nenibeko izay mpamonjy doany fahiny ny miantso an’Andriamanitra sy ny Razana (Nenibe Ranoro, Andriambodilova, Andrinamponimerina sns…) ary ireo Tendrombohitra 12 … rehefa mivavaka. Zavatra tsy hitovy laharana sy Tsy hitovy toerana na hoviana na hoviana ny toeran’Andriamanitra Fanahy amin’ny fanahy izay misy ao ireny doany maro samy hafa ireny.Na dia heverin’ny olona fa mety atao ihany aza izany, ary nahoana no ao amin'ny maty moa no hitadiavana ny velona e? Lioka 24:5. Misy zavatra azontsika amin’ny maty ve?
1- TSY MAHALALA NA INONA NA INONA NY MATY Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Mpit 9:5
2-ANDRIAMANITRY NY VELONA ANDRIAMANITRY NY KRISTIANA FA TSY AN’NY MATYIzaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba "Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona. ( Eks.3.6)Matio 22:32
3-JESOA KRISTY DIA EFA NANDRESY NY FAHAFATESANAFa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin'ny maty. Asa 13:30
4-AMBONY LAVITRA NOHO IREO IZAY EFA MATY JESOAFa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy Romana 14:9.
Raha tsy haka afatsy ireo andinin-tsoratra masina ireo isika dia manaporofo fa TSY MISY NA INONA NA INONA AZONTSIKA AMIN’NY MATY “Satria ny maty rahateo tsy mba hidera an'i Jehovah”
Salamo 115:17.
5-NY AMIN’NY FIVAVAHAN-DISO
NY ENDRIN-JAVATRA ETY AMIN’NY TANY AMBANY.Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy.
Eks 20:4-5
6-JEHOVAH IRERY IHANY NO IANKOHOFANAO
Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao. Mat 4:10
7-TSY MISY HIFANDRAISANY NY SAMPY SY ANDRIAMANITRA
Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe:"Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko Lev.26.11.12-II Kor 6:16
8-NY AMIN’NY FANATITRA
Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy? Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia aterina amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo 32:17) ; koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia hianareo. I Kor 10:19-20
Akoatr'ireo voalaza ireo raha dinintsika lalina ny Didin’Andriamanitra: Hoe “Aza manan’Andriamani-kafa afa tsy Izaho ihany” dia ho tsapantsika fa tena sarotiny amin’ny olony sy ny asan’ny tanany Andriamanitra. Tsy misy maha samy hafa amin’ny ireo Mpaminany sandoka ny olona milaza fa mitahy ny razana (fanahin-dRazana), mampivily ny marina izay voalaza ao Soratra masina ka lasa henatra ho antsika, satria tsy sitrapon’Andriamanitra, hany ka mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny tany sy amin’ny olona izay manao izany.
Tsy tian’Andriamanitra ny olona mivadibadika, na ihany koa ireny olona sady mahay atsy no mahay aroa ny iray amin’ireo mantsy ho halany ary ny iray ho hankasitrahany.
Dia tahaka izay voasoratra ao amin’ny Ezek toko faha 13.Anisany nahatonga ny fahezeran’Andriamanitra ny fisian’ireo Mpaminany sandoka izay nampivily ny olony tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana ….
Toa mampandainga an’Andriamanitra mantsy ny tenin’ireo Mpaminany sandoka ireo satria raha ny fandaharan’Andriamanitra ho an’ny Zanak’Israely dia tsy maintsy baboin’ny Babyloniana 70 taona noho ny fiviliany tamin’Andriamanitra noho ireo sampiny tao Betela sy Dana.
Dia mety hilaza ny olona hoe koa rehefa mivavaka amin’ny fanahin’dRanoro anie ny olona tononony aloha vao ilay zanahary e!
Ny fanontaniana napetrako dia ny hoe amin’ny anaran’iza no hanaovany fangatahana. Raha efa nambara fa Jesoa Kristy irery ihany no mpanalalana!Hoy ny Mat 5:37.
Koa aoka ny teninaoreo rehefa Eny dia Eny rehefa tsia dia tsia fa Andriamanitra tsy azo vazivazina tsy misy hikambanan’Andriamanitra amin’ny sampy.
Ny amin'ny Fahagagana
Fanasitranana, Fanambinana, sns (Jerentsika ny tantara fohy).
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona:
Raha miteny aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan'i Farao, dia ho tonga menarana iny.Ary Mosesy sy Arona nankao amin'i Farao ka nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia natsipin'i Arona teo anatrehan'i Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny.Dia nampanalain'i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin'ny fankatovany.Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin'i Arona nitelina ny tehin'ireo.
Hitantsika fa afaka ary mahay manao fahagagana ihany koa na dia ny olona tsy mitoky amin’ny Fanahin’Andriamanitra aza (Mpisikidy, mpanao ody, Mpanompo sampy…)
Mety fanaon’ny razan’ny teo aloha (tamin’ny andron’ny tsy fahalalana (fahamaizinana) ny mamonjy ireny Doany ireny hangata-pitahinana amin’ny razany araka ny fiheverany, fa tsy voatery hanaraka izany ihany koa ny taranany aty aoriana rehefa nandray an’I Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy.
Izany indrindra no naha very hevitra ny olona rehefa nanao fahagagana tamin’ny alalan’I Jesoa ny Mpianatra.
Araka izay hitantsika ao amin’ny Mat 17
Ka hoy Izy.
Ataon’ny olona ho Iza moa Aho, dia hoy ny olona hoe: Elia, Jaona Mpanao batisa, ny anankiray amin’ny Mpaminany……satria ireny no heverin’ny olona fa tamin’izy ireny no nanaovana ny fahagagana tao.
Dia nentin’I Jesoa teny an-tendrombohitra izy telo lahy ka nasehony ny FAHALEBIAZANY mihoatra izay heverin’ny olona nahazahoana fitahina.
Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.Mat 17:5
Na dia lehibe teo amin’ny vahoaka aza ireo razany ireo, rehefa tonga Jesoa dia nasehon’Andriamanitra fa Izy NO TOKONY HOHENOINA.
MATIO 17 :3
Mety maro ny olona alaim-panahy ka hilaza hoe, Mpanoro vilana ny fiangonana. Satria ny Matio 17:3 dia milaza fa niresaka tamin'ny Elie sy Mosesy Jesoa, ary hararaotiny izany hanamarinana fa azo atao ny miresaka amin'ny razana. Koa aoka tsy ho very hevitra isika.
1- Raha raisina fa niresaka tamin'ny ireo Jesoa:
Azony atao tsara izany satria manana ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany Izy amin'ny maha ANDRIAMANITRA AZY!Noho izany isika tsy afaka hametraka ny tenantsika hitovy amin'Andriamanitra ka hiresaka amin'ny maty ihany koa.
2-Raha hoy ny sasany hoe tena mety ny miresaka amin'ny maty, ka ny Mat 17:3 no hoentiny handresena lahatra!
-Tsy misy milaza ao amin'io verset io hoe nangatam-pitahiana taminy i Jesoa
-Tsy fantatsika ihany koa ny votoaton-dreska natan'izy ireo tao!
-Tsy izany mihintsy koa moa ny antony nanaovany izao firesahana izao (Mila maka ny contexte-n'io teny io isika.
Mila fantarintsika noho izany ny sitrapon’Andriamanitra.Inona ary ny sitrapon’Andriamanitra?
Tsy hoe sarom-patarina ny sitrapon'Andriamanitrana, zanany isika ary manana tombony mihoatra aza ankehitriny afaka mahalala sy mahafatra izay tena tiany ho ataontsika. Isika olombelona no minia tsy mijery ny tena marina izay tian’Andriamanitra hatao ho antsika ka mamorona andriamanitra ho an’ny tenantsika isika. Izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no mahafantatra izany sitrapony izany ary mifanohitra tanteraka amin'ny nofo ny Fanahy fa Izay ao amin'ny nofo rahateo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra (Rom 8:8.Koa inona ary ny sitrapon'Andriamanitra?
Rehefa milaza ny sitrapony Andriamanitra ny ao amin’ny Bokin’ny Romana dia izao no voalaza ao. ……Ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay TSARA sady ANKASITRAHANA no MARINA. (Rom 12:2)
Koa sahia ary manao ny tsara isika. Andeha izay tsara eo anatrehan’Andriamanitra no ho ataontsika e! Dia ny fitandremana ny didiny izany. Ny fanarahantsika ny didin’Andriamantra dia marina eo anatrehany ary ankasitrahany ihany koa.Dia ny Tompo anie no homba antsika mandrakariva eo amin’ny fiainantsika manontolo.Ento am-pamaranana aryraha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao), dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra), dia aza manaiky azy na mihaino azy hianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao. Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Deo 13:7-9-Lev 19:4
|