ARK NETWORK reference.ch · populus.ch    
 
  
F.J.K.M Andranoro, Akon'ny Filadelfia 
 
 
Rubriques

Liens

 Home  | Livre d'Or  | Contact

ASA FITORIANA NY FILAZANTSARA

 
 

SAMPANASA ASA FITORINA FILAZANTSARA (A.F.F)
 
 
Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.Mar 16:15
 
 
Raha mandinika izany tenin’Andriamanitra izany isiaka dia misy teny 04 lehibe no mandrafitra izany andinin-tsoratra Masina izany : Mandehana – Izao tontolo izao – Mitoria ny Filazantsara – Olombelona rehetra. 
 
Mandehana VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA 
Ny Mandeha izay tsy mitovy amin’ny hoe mihetsika dia adika hoe : miala amin’ny toerana iray ho any amin’ny toerana iray. Toa azontsika hailaina sary antsaina sahady ny mety hery hilaina ny amin’izany kanefa efa hanana fanantenana fanantenana ihany koa satria tsy mandendeha fotsiny isika. Raha miteny ny Tompo (Jesoa) hoe mandehana dia tsy mba teny manontany izany, na manontany hevitra fa manome BAIKO.  
Baiko ny homeny ny Tompo, ho an’ireo Mpianany rehetra, izay tohizan’ny Fiangonana ka mahafoaka ny Kristiana rehetra ary mipaka amiko sy aminao ihany koa. Mandehana ary !! 
 
Izao tontolo izao 
Rehefa maniraka Andriamanitra tahaka izay nataony tamin’i Abrahama, Mosesy, Isaia, Jeremia Mpaminany..... Dia tsy mba manirakira-poana izy. Izany hoe tsy maniraka ho any amin’ny tany tsy fantaratra fa voalaza tsara izany dia ny andehanantsika amin’izao tontolo izao. Teny telo (03) no mamaritra ny teny hoe izao tontolo izao:
     
  • Izao tontolo izao: Dia ny Tany izay hiainantsika  
  • Izao tontolo izao: Ny Mponina izay mitoera eo aminy  
  • Izao tontolo izao: Ireo Jentilisa, ireo tsy mahafantatra an’Andriamanitra, ireo ao amin’ny haizina ....
 
Ianao no ataon’Andriamanitra ho Fitaovana hitory ny Filazantsara . MISSION no homen’Andriamanitra anao, koa metera ho irak’Andriamanitra ho any amin’izao tontolo izao 
 
Mitoria ny Filazantsara 
Azo atao tsara ny mitory fitiavana, azo atao tsara ny mitory olona eny amin’ny fitsarana …. Asa izany !!!! Andriamanitra maniraka antsika Hitory ny Filazantsara dia i JESOA KRISTY Zany izay tonga hamonjy antsika rehetra (Jao 3 :16) Jesoa no Filazantsara ho antsika : 
IZY no hanantsika fiadanana  
IZY no hanantsika fiainanana 
IZY no hanantsika fahasambarana 
IZY no hanantsika fandresena 
Andeha hoentintsika eny amin’izao tontolo izao izany rehetra izany 
Torio Jesoa Tompontsika ! 
 
Olombelona rehetra 
Tsy voafaritra ho an’olona iray ny Filazantsara n’inon’inona mety toerana misy azy : mpanan-karena, mahantra, Gasy, hafa firenena, lahy, vavy, Mpitondra fanjakana sns. Raha tsorina dia ho an’ny rehetra ny filazantsara, tsy hifidiana sokajin’olona na ihany koa sarangan’olona. 
 
Mila ahy sy ianao ny Tompo, 
Aza atao ho olona tsy hafahana mitory ny Filazantsara ny momba anao. 
Tsy olana ny olanao raha miaraka amin’ny Tompo ianao, fa ny tena olana dia ianao tsy mety ho fitaovany. 
Meteza HITORY
 
Ny Filoha AFF Fitandremana 
IHASARAMANITRA Ravo 
 
NY RAFITRA IOMBONANA EO AMIN'NY FJKM
 
 
BIRAO AFF
 
Filoha 01  
Filoha Mpanampy 01 
Mpitantsoratra 02 
Mpitahiry vola 01 
Mpanolotsaina 2-4 
 
KOMITY
 
Mpitandrina 01 
Katekista 01 
Diakona 02 
Sampana misy 1 avy 
Olona hafa 2-4 
 
NY FANANGANANA AZY
 
1- Asiana manolotra ny solotenany ireo sampana sy rafitra voakasika 
2-Rehefa samy voatolotra dia mivory ireo rehetra ireo: Ireo no atao hoe KOMITY 
3-Mifidy ny Birao izy ireo avy eo 
 
NY ANTOM-PISIANY EO AMIN'NY FIANGONANA
 
ANDRAIKITRA 
a-Mitory ny Filazantsara an'i Jesoa Kristy 
b-Manentana sy manampy ny Fiangonana eo amin'ny Fitoriana ny Filazantsara ataony 
d-Mandrindra sy mandamina ny Fitoriana ny Filazantsara. 
 
NY ATERAKY NY ANDRAIKITRA 
A-Manomana ny olona mba ho Mpitory (Préparer) 
B-Mamatsy ny Mpitory ho afaka miasa (Equiper) 
D-Mifanampy amin'ny asa mba hahomby (Encadrer) 
 
AFF FITANDREMANA
 
 
Raha ny Fiangonana Andranoro Manokana no resahina dia azo ambara fa miha mitombo isa hatrany ireo resy lahatra ny amin'i Jesoa Kristy raha heverin'ny sasany ho fombafomba fotsiny izany.  
Saika tanora avokoa no mitarika ao amin'ny AFF Andranoro ary tanora vonona tokoa raha ny hitory ny Filazantsara. Tamin'ny 17 novambra 2009 no niorina ny Komitin'ny AFF eto an-toerana.Nandritry izay taona maro izay dia toy izao ny fandaharan'asany. 
 
Soritr'asa ISAN-TAONA 
Isaky ny alatsinainy: Alatsinainy Fiambenana 
 
Isaky ny alakamisy faran'ny volana: FIOMBONAN'NY MPIARA MANOMPO  
 
Janoary: VAVAKA SY FIFADIAN-KANINA  
Febroary:HERINANDRON'NY FITIAVANA 
Martsa: HERINANDRO MASINA 
Aprily: HERINANDRON'NY FANAHY MASINA ALIM-BAVAKA MIARAKA AMIN'NY KATEKOMENA 
Mey:VAVAKA ISAM-PARITRA 
Jona:TAFIKA MASINA AN-KALAMANJANA NA TAFIKA MASINA HO AN'NY ANKIZY  
Jolay:HERINANDRON'NY FANANTENANA 
Aogositra:ALIM-BAVAKA  
Septambra:HERINANDRON'NY FINOANA 
Oktobra:VAVAKA ISAM-PARITRA  
Novambra: HERINANDRO SAMBATRA 
 
 
Soritr'asa 2011 
 
 
 

 
 
ARA-GEOGRAFIA ARA TOE KARENA ARA TANTARA ARA KOLOTORALY
 
NY TEMPOLY IREO MPITANDRINA NY DIAKONA NY FANITARANA
 
DORKASY SEKOLY ALAHADY VOKOVOKO MANGA SAMPANA FIFOHAZANA
 
SAMPANA TANORA KRISTIANA SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA ASA FITORIANA FILAZANTSARA HIFANERASERA
 
SAMPATI
 

 

(c) Akon'ny Filadelfia - Créé à l'aide de Populus.
Modifié en dernier lieu le 1.03.2017
- Déjà 9060 visites sur ce site!