ANDRANORO SY NY TANANA
Aiza no misy azy?:
Ny tananan'Andranoro sy ny manodidina.
Raha ny lafiny ara-jeografia eto Madagasikara no hijerena an’Andranoro dia anisan’ny ao anatin’ny faritan’Antananarivo, distrikan’Ambohidratrimo ary ao anatin’ny commune ANTEHIROKA no misy azy, ny code postale ampiasaina ao aminy dia mitondra ny laharana 105 ary aminn’y maha ao anatin’ny commune Antehiroka azy dia voafaritra toy izao izy:
I.1.1 Ny mamaritra azy ara-pokontany:
Ireto avy ireo fokontany manodidina azy araka ny toerana misy azy avy :
- Ny atsinanana dia ny fokontany Amboavahy ao amin’ny boriborintany faha 6 Ambohimanarina Antananarivo renivohitra.
Ny atsimo kosa ny fokontany Anosibe Zaivola Ambohimanarina.
Ny andrefana fokontany Morondava Antehiroka.
Ny avaratra dia ny fokontanyAmbohijanaka Antehiroka.
Araka ireo hita ireo dia ANDRANORO no azo lazaina ho faritra iray mampisaraka ny commune Antananarivo renivohitra amin’ny commune Antehiroka ary izy no farany atsoa ao anatin’ny faritry ny distrikan’Ambohidratrimo.
Commune Antehiroka.
I.1.1.1 Ny Làlana :
Raha ny làlana no jerena dia anisan’ny fokontany tsara làlana ity faritra Andranoro ity amin’izao fotoana izao na dia efa misy vanim-potoana maharatsy ny làlana ihany aza teo aloha indrindra ireo elakelan-trano miditra anaty tanana fa raha ny halaviran-dàlana mihoatra amin’ny faritra hafa no ambara dia mahazo toy izao: « 1km mianatsimo avy eo Ambohibao Antehiroka no misy azy, 10km miala ny renivohitr’Antananarivo avy eo amin’ny gara soarano, ary 9km avy eo amin’ny renivohitry ny distrikan’Ambohidratrimo » , ireto roa farany dia tafiditra ao anatin’ny lalam-pirenena RN4 avokoa.
I.1.1.2 Ny habeny :
Araka ny fanazavana avy eo anivon’ny commune dia manana velaran-tany mirefy 10,15km² ny commune Antehiroka izay ahitana ireo fokontany 9 dia Ambohiroy, Ambohibao, Antanetibe, Ambohijanahary, Antalambohitra, Ankadivory, Antsakambahiny ary Andranoro ka amin’izay rehetra izay izay dia manana velaran-tany 1.47 km² ny fokontany Andranoro izay toerana avo amin’ny ankapobeny.
I.1.1.3 Ny Tsena :
Tahaka ny Commune rehetra izay hitantsika, dia tsy mba diso anjara amin'ny fampandrosoana ny faritra ny Commune Antehiroka. Lehibe loatra mantsy ny fitiavan-tanindrazana hasehon'ireo Mpitondra ao ary tena mendrika ho deraina tokoa. Anisan'izany ny Ray aman-dReny Ben'ny tanana sy ireo Mpiaradia sy ny Mpiara miasa aminy.
Maro ny foto-drafitrasa izay efa vitan'ny teo aloha kanefa tsy hainy tsy hiteny sy hilaza, satria hitam-poko hitam-pirenena toy ny tafika handrefan-tanana ny asa vita ao. Raha tsy hilaza ireo: Toeram-pitsaboana, Lalan-kely, Ny fanasan-damba maro ary ny tsena.
Tsena ao ambadikin'ny lapan'ny tanana
Ny tsena vaovao
I.1.2 Ny fizarana ao anatiny:
Mizara ho faritra telo ny fokontany Andranoro raha atao indray mijery :
- Ny atsinanana Andranoro tanàna.
- Ny faritra fiakarana ny atsimo
- Ny faritra Antaranjana kosa no hita ao amin’ny faritra avaratra andrefana.
Ny renirano
Renirano roa ihany no mba hita mandalo amin’ity faritra Andranoro ity izay manondraka ny lemak’i Betsimitatatra iray manontolo mihitsy, dia ny reniranon’i Mamba araka ny anarany fahiny fa ankehitriny dia lasa hoe « Ambany atsimo » no hiantsoan’ny maro azy araka ny filazan-dRamatoa Rabarivelo Christine loholona eo an-tanàna dia vao teo anelanelan’ny taona 1980 noho mankaty no nampiova tsikelikely io anarana taloha io ary ity renirano ity dia miainga avy anay Ambohimanga .
Ny reniranon'Anony (anazana mahazatra)
Ny renirano faharoa kosa dia ny reniranon’Andriantany izay avy namakivaky ny commune Antananarivo renivohitra. Araka izany izy roa ireo dia samy mivarina ao amin’ny reniranon’i Ikopa rehefa tonga ao an-tananan’i Farahantsana Mahitsy.
Farihy
Raha hasian-teny indray kosa ny amin'ny farihy dia any amin'ny faritra avaratr'Andranoro(Ambohibao), izay 03 km mila eo no misy ny Farihy MAMAMBA.
Ny farihy mamamba dia mabomba eny Ambohiroy ary hatrany Ivato mbola ahitana azy. Saika ny Mponina manodidina dia milaoka ny hazandrano azo avy amin'izany farihy izany avokoa.
Farihy mamamba Antehiroka
Anisany rano hidiovana sy hanaovana ny asa an-davan'andro ihany koa ny Farihy MAMAMBA toy ny jono, sasalamba.
I.1.3 Ny mponina :
Hiditra ny tanana
Raha jerena amin’ny ankapobeny dia ny foko merina no betsaka hita ao amin’ity faritra Antehiroka ity ary mbola hita taratra ao amin’ny fokontany Andranoro izany, eny fa na dia ahitana ny karazan’olona samihafa hita eto Madagasikara sy vahiny avy any ivelany aza ao Andranoro.
Ireo Mpivarotra
Ary hita ihany koa fa ny tanora no betsaka sy mitana ny ampahany betsaka amin’ny mponina ao.
Raha ny isan’ny mponina eto amin’ny faritra antehiroka voaray farany teo anivon’ny commune aloha dia 36.558 no isany tarehimarika azo tamin’ny febroary 2004, fa ao Andranoro kosa dia izao no azo tao anatin’ny telo taona farany.
Taona | 2003 | 2004 | 2006 | 2007 | 2008 | 2009 | 2010 |
2010 | Isa | 2.484 | 3.334 | 6.168 |
7680 | 9.520 | 11.360 | 13.200 | 15.100 |
---|
(*) 2006 à 2010 etude par projection.
|