ARK NETWORK reference.ch · populus.ch    
 
  
F.J.K.M Andranoro, Akon'ny Filadelfia 
 
 
Rubriques

Liens

 Home  | Livre d'Or  | Contact

ANDRANORO

ANDRANORO ARA-TANTARA

 
 
Ny taona 1960  
 
Hoy ny fitenin’ny olona maro « ny tantara tsy mba fanadino” noho izany dia anisan’ireo tanàna manana ny tantarany ihany koa raha ny tanan’Andranoro toy ireo toerana manan-tantara rehetra hita eto amintsika. 
Ara-tantara dia manana ny fiandohany izy, ary araka ny hevitr’ireo mpandinika monina dia niorina teo anelanelan’ny taonjato faha XVII ity tantara ity ary misy ny milaza fa tamin’ny fotoana nanjakan’Andrianjaka tamin’ny taona 1610 tany ho any ary araka ny filazan-dRazaiarisoa mpiandry doany ao Andranoro dia «Randriantsira sy Ratsihory no nanorina sy nahita voalohany ny tanàna…….  
 
Mpitondra fanjakana tamin’izany izy ary nanana miaramila maro izay nitondra langilangy. Ny lakana no fitaovam-pitanterana tamin'izany satria ny toerana nisy ny rovan'Andranoro dia misy ranobe mangeniheny izay tsy nahazo niampitana an-domano na norobohina.  
Ny tanana manodidina dia rakotra ala avokoa tamin’izany, ary niantsona teo izy ireo hiala sasatra.  
Marihina fa tsy mbola nanana anarana io toeran io tamin’izany fotoana izany. Rehefa tonga teo izy ireo dia naniraka miaramila efa-dahy Randriantsira mba hisafo ny tany ho fiarovana amin'izay mety ho mpanafika.Rehefa hitan’izy ireo fa tanana tsara azo honenana teo dia niorim-ponenana teo izy nadritry ny taona maro. Rehefa maty izy ireo dia nalevina tao an-tampon’Andranoro ihany, ary mbola hita ao mandrak’ankehiriny ny fasana misy azy ireo , koa raha ara-tantara izany dia ireo olona ireo no nanorina voalohany ny tanan’Andranoro. 

 
 
 
andranoro 
I.2.1 Ny Nahatonga ny anarana :
 
 
Raha ny nahatonga ny anaran’ny tanan’Andranoro no jerena amin’ny fiteny Malagasy dia amin’ny teny roa nakambana ho iray: 
 
“AN”: izay teny mpampiankina fampiasa eo alohan’ny anaran-tsamirery, na mpamaritra anarana manondro, entina ilazana tompon-javatra. 
 
“D”: tarehin-tsoratra fahatelo amin’ny renintsoratra faharoa amin’ny abidy Malagasy, fanakambanan-teny. 
 
“RA”: Mpanoritra anaran-tsamirery milaza olona fampiasa indrindra amin’ny foko anivon-tany ka natao ho mari-panajana
 
 
Ary ny teny hoe “NORO”enti-milaza anarana, hafaliana, hasambarana mpamari-toetra, tsara fanahy noho izany dia noheverina ho anaram-behivavay izy ity izay tsara tarehy araka izany ny teny hoe “Andranoro” dia azo avy amin’ny fanakambanana ireto teny ireo izay manambara fa an’I Ranoro io zavatra io ; izany hoe raha tsorina ny tanana dia an-dRanoro ka nahazoana ny teny iray hoe ANDRANORO. 
 
Ny anaran’ity tanana ity koa dia vokatry ny faniriana’ireo mpivady niori-ponenana tao voalohany dia Randriantsira sy Ratsihory izany izay te-hanan-janaka ka ny anarany nataony ho RANORO raha teraka eo izay zazavavy niriany izay hanoro tokoa ny olombelona rehetra mba handeha amin’ny lalana tsara sy marina ilay zaza koa RANORO izany dia vokatry ny safidin’izy mivady ka azony tokoa.  
Nanomboka teo dia A N D R A N O R O no anaran’ilay tanana nahaterahan-dRanoro araka ny fanirian’ireo Ray aman-dReniny hoan’ny zanany koa andeha ary ho fantarintsika hoe manao ahoana izany Ranoro izany. 

 
 
I.2.2 Iza moa i Ranoro?: 
 
Misy ireo milaza fa Ranoro dia vazimba noheverina ho vehivavy amin’ireo mponina taloha na tranainy indrindra teto afovoantany , fa araka ny lahatsoratr’I TSIMA dia hoe “fony mbola olombelona Ranoro dia anisan’ny zazavavy tsara tarehy lava volo no sady mamirapiratra ary misy filazana koa fa zazavavindrano hono I Ranoro………… teo amin’ny faha 15 taonany no maty ny ray aman-dreniny ary nipoitra ilay vato eo ambanin’ny Rova, ny olona no nahatsikaritra azy no nilaza tamin’ny Andriandahy Randriambodilova ka nangataka azy ho vadiny. 

 
 
Doany nenibe Ratsiry
(atsinan'ny tanana)

 

 
 
I.2.3 Iza moa i RANDRIAMBODILOVA?: 
 
RANDRIAMBODILOVA dia taran’Andriampirokana izay nantsoina ihany hoe koa Andriandroka. Vazimba nonina tao Ambatobe sy Ambohijafy izay nonina tao ANOSISOA izay toerana tazana eny amin'ny ilany atsinanan'Andranoro.Raha ambara fohy ny amin'ny hoe ANOSISOA, araka ny nambaran'ireo zokiolona dia :“ity no Nosy soa honenako” avy amin’izay no nahatonga ny anarana hoe Anosisoa tenin'ny ireo nonina tao voalohany izany ka laza anarany mandraka ity ny androany.  
Ao anosisoa no misy ny doanin'dRandriambodilova izay hatsiarovantsika ny tantaran'ny 08 septambra, andro izay nampiadiana an'ANDRIAMANITRY NY KRISTIANA sy ny sampin'dRadriambodilova. 
 
Ambohimanarina no nisy an’Andriambodilova, niteraka izy ireo dia Rakotonanahary izay nomen-dreniny anarana fiantsoana azy hoe Rakotomaditra. 
Indray andro anefa dia nifamaly Randriambodilova sy Ranoro vadiny ka nisaraka…….  
Henon-dRandriantsimandefitrarivo izany vaovao izany ka lasa izy nanambady indray an-dRanoro. Marihina fa rahalahin-dRandriambodilova ihany ity faharoa. Niteraka an’Andriandahimbolamena izy ireo izay milevina ao Ambatolampy Ambohimanarina . 

Dobo fandron'ireo mpanjaka fahiny.

 
 
Misy koa ny filazana fa mbola anisan’ny zanak’I Ranoro tamin-dRandriambodilova koa Andriaendrana izay tonga razan’ny tena mponina eny Ambohimanarina . Ary misy koa aza fitenenana fa rehefa nisaraka tamin-dRandriambodilova, Ranoro dia nisitrika anaty rano niaraka tamin’ny zanany ary tonga vazimba masina isan’ny razana malaza eny Antehiroka araka izany dia tsy fantatra mazava izay fiavin-dRanoro fa mipetraka ho tantara fotsiny ihany izany. 
 

 
ARA-GEOGRAFIA ARA TOE KARENA ARA TANTARA ARA KOLOTORALY
 
NY TEMPOLY IREO MPITANDRINA NY DIAKONA NY FANITARANA
 
DORKASY SEKOLY ALAHADY VOKOVOKO MANGA SAMPANA FIFOHAZANA
 
SAMPANA TANORA KRISTIANA SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA ASA FITORIANA FILAZANTSARA SAMPATI
 
 
VOADY DON FANOMEZANA FANOHANANA HIFANERASERA IREO VAOVAOM-PIANGONANA

 

(c) Akon'ny Filadelfia - Créé à l'aide de Populus.
Modifié en dernier lieu le 21.05.2010
- Déjà 9060 visites sur ce site!